Y1:‘Lay fonao ti_a tao Gologota/No velona\ ao an-tsaiko izao,/Ny fonao ‘zay mitady mpanota/No vo_aratra indrindra tao./Ry fo malala, nihafy loatra,/Lavitra ny mpangoraka\ Anao/Ry fo malala, nihafy loatra,/Lavitra ny mpangoraka\ Anao
Y2:Indro! Ny lefona koa mamely,/Ka notrobarana Hi_anao!/He! malahelo ireo anjely,/Fa naharary re ny fonao!/Io no fitia tsy misy toa azy./Zaran’izao rehetra izao/Io no fitia tsy misy toa azy./Zaran’izao rehetra izao
Y3:Efa hisoka ny anto_andro,/Menatra\ izao tontolo izao;/Tsy ela\ intsony dia maizina\ andro/Kalvary ‘zay nihantonanao!/Fa\ izaho tsy mba hangataka\ andro/Hampi_antrano ny tenanao/Fa\ izaho tsy mba hangataka\ andro/Hampi_antrano ny tenanao