M0:|t:FFPM 656 Maty malala ka ory ny fo|a:Rainitovo 1852-1943|r:10.10.10.10.D|h:TRIUMPH Abraham Down Merrill 1796-1878 (Voice of Praise 395)|c:G|m:3/4 Miadanadana I0:ffpm-662.txt:^(M|Y) Y1:Maty malala, ka ory ny fo!/Lasa ny tiana ka mafy manjo!/${D:Nefa isika tsy dia mba mamoy,/Fa manantena hihaona indray:/}${R=}Ao aminao, Tompo! Izy izao/Tsy mba marary na misy manjo!/Nentina any ambony madio/Di_a ho sambatra mandrakizay Y2:Mba notandremana fatratra koa,/Nefa tsy tana, fa lasa izao;/${D:Eny, ry Tompo! Ekena tokoa/I\zay sitrakao, fa izany no soa:} Y3:Fantatra koa fa isika izao,/Samy vahiny ka hody indray;/${D:Indro! Ny namana lasa izao,/Lasa mi_andry antsika arỳ} Y4:Ary isika, ra\ha hiala atỳ,/Dia hotsenain’ireo havan-tsy foy;/${D:Eny, hihaona mifaly indray/Ka tsy hisaraka mandrakizay.}/