M0:|t:FFPM 207 Mamy ny teninao|a:Maintimolaly|r:666688|h:John Darwall 1731-1789|c:D|m:4/4 I0:ffpm-208.txt:^(M|Y) Y1:Mamy ny Teninao,/Jehova\h Masina!/Sy to ny Teninao,/Tsy azo ovana;/Ny lanitra ho levona/Fa tsy simba ny Teninao! Y2:Madio ny Teninao/Ka tsara indrindra,/Di_a fahendrena/Ho an’ny adala,/Mahafaka ny maizina/Ka mitondra ny mazava! Y3:So_a ny Teninao/Mahatsara ny fo/Fa ao no hitanay/Misy Mpanavotra,/Jeso, Loharanon’aina/Mahasasa ny meloka! Y4:Irin’ny foko koa/Ny Teny masina/Noho ny harena/Na fananana be;/Ny Teninao no tanako/Ho lovako mandrakizay!