M0:|c:G|m:6/4|r:86868886|t:FFPM 332 Finaritra ny olonao|a:N.J. Holm 1778-1845 Nad. L. Dahle 1843-1925|h:APPROACH George A. Minor 1845-1904|u:https://hymnary.org/tune/approach_my_soul_the_mercy_seat_55553
Y1:Finaritra ny olonao/Jesosy Tompo ô,/Fa manana ny aim-baovao/Ka ravo eram-po!/Ny famonjena vitanao/Dia efa vo_aray izao,/Ny fifali_any atỳ/Hitohy hatrarỳ!
Y2:Izaho va Jesosy ô,/Mba isan’ny Anao?/Ny solika fitaizako/Moa misy va izao?/Hevero ry fanahiko,/Ka aza mety afa-po/Ambara-pahafantatrao/Fa Jeso no anao!