Y1:Mi_ely lavitra\ any/Ny olo-marobe;/Koa Iza no hankany;/Hamonjy azy re,/Hanorina sekoly,/Hitory teny koa./Hamaky ny Baiboly,/Milaza zava-tsoa?
Y2:Indreny olona\ ory/Tsinjovy, ry zareo!/Tsy misy ny mpitory,/Ka moa hafoinareo?/Tsarovy Jeso Tompo/Nandao ny lapa soa,/Ka tonga mba hanompo,/Nanolotra\ aina koa.
Y3:Ry Lohan’ny mpi_andry!/Tendreo ny irakao,/Fa reraka ka mandry/Ny ondrikelinao;/Iraho ny mpitory/Hande\ha ankehitrio,/Ka tsy handà akory/Hanao veloma\ anio.
Y4:Ny ti_a famonjena/Mi_aramila soa;/Izay manolo-tena/No iraka tokoa;/Na lavitra ny tany,/Hanendry tena hoe:/«Izaho no hankany,/Iraho aho e!»