I0:ffpm-59.txt:^(M|Y)
M0:|c:D|m:4/4 Faingampaingana|t:FFPM 183 Midìna ry Fanahy ô|r:8878874848|a:Michael Schirmer 1606-1673 nad. L. Dahle 1843-1925 |h:Philipp Nicolai 1556-1608
Y1:Midìna, ry Fanahy ô,/Midira ao anaty fo!/Ampi_o ny mihafy,/${D:Fa I_anao no mpanome/Ny to sy fa\hazavana be;/Ny vavanay sokafy/}Izao hanao/Saotra tsara hanambara/Ny Mpamonjy!/Fa satri_a vo_avonjy
Y2:Ka raha re ny Teninao/Dia mba avi_a, hazavao/Ny hevitry ny Teny,/${D:Mba ambaraonao aminay/Ny fomban’ny Mpanavotray!/Lazao ny famonjeny/}I\zahay izay/Vory eto, andreheto/Jiron’aina/Hi_alàn’ny haizin-tsaina!
Y3:Ny maizina onenanay,/Tsy mety afaka\ aminay/Ka tena mahavery,/${D:Ra\ha I_anao tsy tonga\ izao/Mitondra filazam-baovao/Sy toky mampahery!/}Ovay i\zahay,/Hamasino ny te hino,/Ampidiro/Eto aminay ny Jiro!
Y4:Mba hafanao re izahay,/Ampi_o hiti_avanay/Indrindra ny Mpamonjy!/${D:Ny rany mba ho avotray,/Ny didiny harahinay,/Hanananay ny vonjy,/}Jeso, Jeso/No tori_o sy bitsiho/Ao an-tsainay,/Mba hamelona ny ainay!
