M0:|t:FFPM 793 Mba tsarovy re, rankizy|a:C. Borchgrevink, 1841 - 1919|r:8.7.8.7.|h:(Feon-kira soedoà)|c:G|m:3/4
U0:z8:22 4422 44/22 4422 8/22 4422 44/22 2244 8/22 4422 44/22 2244 8
N1:#s, sdmmrdrr  rmffmrm  sdmmrdrr  rmrdtls s'fms'fmrf mrdsmrd
N2:#m, ssdsssll  rDrdttd  ssdslddt  ttllsFs  sssddddd  ttlssfm
N3:#t, mmsmfmff  lsllsss  mmsmfsls  ssFFrdt  rrmmfsll  sfmmdtd
N4:#m, ddddddff f'm'rrssd ddddfmfs ssllr,r,s ttddlsfr, sslmssd,
Y1:Mba tsarovy, re, rankizy,/Ao am-pi_angonana,/Tsy hatory, fa haniry/Mba ho zaza maotina,/Tsy hatory, fa haniry/Mba ho zaza maotina.
Y2:Tonga ao Jesosy Tompo,/Ka mihaino vavaka;/Ny manatona hanompo/Raisiny ho zanaka./Ny manatona hanompo/Raisiny ho zanaka.
Y3:Mba hirao ny fiderana,/Ka ezaho mafy hoe:/Arahaba re, hosana!/Ry Mpanjaka lehibe!/Arahaba re, hosana!/Ry Mpanjaka lehibe!
Y4:Eny, Tompontsika Izy,/Tompo tsara, mora fo,/Ka hatoninao, rankizy,/O, hatòny eram-po!/Ka hatoninao, rankizy,/O, hatòny eram-po!
Y5:Aza mba misalasala,/Atolory\ izao ny fo,/Fa ny tomponao malala/Faly ta-hamindra fo/Fa ny tomponao malala/Faly ta-hamindra fo
Y6:Ry Mpamonjiko mahery,/Raiso aho ho Anao,/Raiso ho Anao irery,/Raiso re, ka anjakao!/Raiso ho Anao irery,/Raiso re, ka anjakao!
